FANAKONA-MASOANDRO (RFE Andria)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANAKONA-MASOANDRO

Nahita aho dia ahoana?
Ny fiainako eny foana
ny anjara hasambarany
toa takon'ny tantarany
dia tantaram-pahantrany
hany hitany eto an-tany...

Eny e! soa aho nahita
teto fa tsy tany am-pita
masoandro takom-bolana
volana misolantsolana
te hanamaizina ny tany
efa rakotra tomany...

Volana ô! aoka izay!
aleo ny masoandronay
hitohy hamiratra hatrany
f'aza takonana izany
hanomezany hafanana
anay mangentana sy ana...

RFE Andria - 01/09/2016
--------
Rohy:
Sokajy : éclipse - fiainana
1053 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 01/09/2016 09:45
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114