FEON'NY GAZETY POLITIKA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FEON’NY GAZETY POLITIKA

Fony ny olo-maminao no nitondra firenena
Dia nohasohasoinao, narovanao sy nekena
Na ny nety, ny tsy nety ary ny tsy valahara
Tsy mandainga aho sanatria, fa ao ny tantara hitsara
Na dia nihatra taman’aina ireny fahoriam-bahoaka
Tsy teo anilany ianao, hiantsoantso, hihoakoaka
Fa niandany, nomba hatrany ny nataon’ireo mpitondra
Mova tsy nialokaloka tao ambadik’i Sahondra…

Fa rehefa nivadika ny rasa : niova indray ilay fitondrana
Dia midradradradra ianao : « tan-dalàna aho, tan-dalàna ! »
Mitsikera, manameloka ny fanao notohananao fahiny
Saingy izao lazainao, tondroinao ho famoretana : voatsiny
Ny nanatanteraka no hafa, fa ny fanao tsy misy niova
Mamelively sy manenjika raha tsy ny anao no ao an-drova
Dia iny ianao manangam-bovona : « tsy misy ny demôkrasia »
Kanefa tamin’ny andronao tsy nahalala niantso « avia ! »….

Aoka angamba izay ny teny ; eny hatsahatro hatreo
Sao manjary lavareny, fa efa leo aho, TENA LEO !
Leo feom-panao gazety, dia ny gazety pôlitika
Sanatria ve tsy aleoko mihaino indray vovon’alika….

RFE Andria – 30/03/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
817 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 30/03/2015 18:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151