GETSEMANE (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
GETSEMANE

Tao ilay sahan’adin’ny lainga sy ny fahamarinana
Ho fanarenana ny olona resy noho ny hala-pihinana
Sahan’ady nanamontsana ny fangejan’ny fahotana
Fa nampiharihary kosa ny fanamarina-nozahana

Tao ilay saha namelarana ny drafitry ny fanavotana
Izao tontolo izao izay resin’ilay mpanakorontana
Tao no vaky bantsilana ilay drafitr’i Satana
Hamotehana ny olona voan’ny fahajambana

Tao Edena tao fahiny dia nanjaka ny IZAHO
Ka niteraka tontolo ratsy nifamahofaho
Tao Getsemane kosa resy amin’izay ny ota
Nofongorana tsy hisy ny vokatry ny sotasota

Naseho tao Getsemane fa ny hany handresena
Dia ny fandavana ny IZAHO ary ny fandavan-tena
Azoko antoka izao fa noho ny vavaka mafana
Na malemy aza aho dia handresy an’i Satana

Misaotra Anao aho Jesoa tamin’ny tolona natao
Sy ny vavaka mahery, ohatra izay nomenao
Nanatraranao ny tanjona, ilay tao Getsemane
Nanoloranao ho anay fandresena lehibe

RFE Andria – 27/06/2015

Comparez ce qui est arrivé en Eden (Gn 3.1-6) à ce qui est arrivé à Gethsémané (Lc 22.39-46). Quelle est la grande différence entre les évènements qui se sont joués dans les deux jardins?

En Eden, le monde a été plongé dans le chaos du péché. À Gethsémané, la victoire finale du monde était assurée. Eden a vu le triomphe tragique du Moi qui s’élève contre Dieu. Gethsémané montra l’abandon de soi-même à Dieu et révéla la victoire sur le péché.

Gethsémané expose deux choses cruciales : d’abord, une tentative des plus vicieuses de la part de Satan pour détourner Jésus de la mission et de l’objectif de Dieu. Puis, l’exemple le plus noble de dépendance envers la force de Dieu pour accomplir sa volonté et son but. Gethsémané montre que, même si la bataille est rude, et que nous sommes faibles, la victoire est certaine pour ceux qui ont connu la force de la prière. Jésus a fait cette célèbre prière: « Toutefois, que ce ne soit pas ma volonté qui advienne, mais la tienne. » (Lc 22.42).
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - Vavaka
1046 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 27/06/2015 10:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152