ILAY FITIAVANA LEHIBE INDRINDRA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY FITIAVANA LEHIBE INDRINDRA
(Jaona 15 : 13)

Tsy misy fitiavana lehibe indrindra noho izao :
Ny nanolorany ny ainy mba hanavotana anao
Tia anao hatramin’ny farany Ilay Zanak’Olona
K’indro fa nanetry tena fa tsy mba niolonolona

Dia nilaozany ny lanitra sy izay rehetra ananany
Nafoiny koa ny voninahitra ary ny fiandrianany
Mba hamonjena anao izay nandika ny lalàna
Hisitrahanao ny zo hiditra ao amin’ilay Kanana

Niaretany avokoa : ny eso sy ny fanarabiana
Nozakainy ihany koa ny latsan’ny hazo fijaliana
Nokapohina Izy mantsy, eny nokaravasiana…
Nilonjehitra irery ny vokatr’otanao ry tiana

Dia ianao izay nanjary lasa toy ny fahavalo
Nefa na izany aza, indro Izy tsy nimalo
Fa nanaiky ny ho faty teo amin’ny toeranao :
Tsy misy fitiavana lehibe indrindra noho izao !

RFE Andria – 18/04/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1179 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 18/04/2015 12:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108