LEO... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LEO…

Leo anao aho Ramalagasy namana
Toy ny zaza izay mila tantanana
Tsy mety fay amin’ny zavatra nanjo
Mova tsy toy ny biby maivan-doha
Toa tsy heverinao fa làla-mahafaty
Ity làlana izoranao sy arantiranty
Ka dia toa tsy heverinao ny ampitso
Nefa io làlana io miafara amin-kitso
Toa tadiavinao ny hiaina indray krizy
Hanampinao ity fahantrana izaitsizy

Aleo ianao ho any, ny safidinao adala
F’izaho tena leo ka aleoko izao miala

Ny tanindrazana no mampalahelo ahy
Lany hasina toa valiha very fanahy…

RFE Andria – 28/05/2015
--------
Rohy:
1311 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 28/05/2015 07:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0978