MAHANTRA IANAO RY FIRENEKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHANTRA

Mahantra ianao ry fireneko !
Mahantra olom-banona
Ireo mpitondra anao eto
Toa variana any an’anona
Tsy misaina afa-tsy ny azy
Ny hanatevenam-paosy
Ny sisa ve? Toa vazivazy:
Eo ianao toa maosimasy!

Mahantra ianao ry fireneko!
Toa mahantra olo-marina
Ny harena an-kibonao, ekeko
Tokony ho ampy hahatafarina
Saingy toa ireo vahiny
Tohanan’olona any ambony
No tena mitavandra an’iny
Sy hoe misitraka azy itony

Mahantra ianao ry fireneko!
Tsy mba mandry fahalemana
Isan’andro izao dia reko
Vahoaka maro ts’isy hiafenana
Lasibatry ny olon-dratsy
Na an-tsaha na an-tanàna
Mandry foana an-drirantsy
Lositra fa tsy tamàna

Mahantra ianao ry fireneko!
Ny ratsy no misekoseko…

RFE Andria – 27/06/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
784 0
Hevitra mandeha
rajaonarimily ( 12/10/2016 16:58)
marina mhitsy izany fa ny mpitondra eto amintsika dia mitady izay ho any aminy fotsiny.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 27/06/2016 14:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153