MAHASONDRIANA... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHASONDRIANA…

Jereo anie ity fitafiana
Fa dia tena mahasondriana
Tsy takon-kenatra intsony:
Na ny ambany na ny ambony
Dia samy mihanjahanja
Aderadera eny an-kianja
Ny ambany hatreo am-poto-pe
Ny ambony indray “décolleté”
Mampamelatra ireo “entana”
Natao mba hampientanentana
Nefa dia maro mpankafy
Fa hoe fitafiana “sexy”
Sady izay dia lafo vidy
Satria hoe “tsara didy”*
Fa fitafy ara-damaody
Jefijefy fa tsy kaody…

Fa ity no indro kely –
Mba saino ry madimoazely –
Aza gaga raha tojo olana
Mihamaro ireo mpanolana
Kitihinao raha ny filàny
Tsy voafehiny izany
Mirongatra tsy nofinidiny
Fa tapaka ny lamboridiny
K’izay ianao vao hi-oàoàoà
Hiantsoantso: vonjeo aho…

Very ianao Ramalagasy…
Ny Ntaolo no mangasihasy…!

*“tsara didy” = “haute couture”

RFE Andria – 22/05/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1090 2
Mpakafy: zoana15 - hjravs
Hevitra mandeha
hjravs ( 01/06/2015 04:22)

fa tsy, hoe, zalahy ihany
no mety ho taitra amin'izany
fa ny amboa, ihany koa
tena mankafy tokoa
nofom-pe,
indrindra ange
ireo ravin-droa ao aoriana
nofon-kena mahasondriana
raha tsy voantsimbina
io ho rimbona!
Arofanina ( 05/06/2015 07:00)
marina sady mahatsikaiky izany ry hjravs an!
mankasitraka ny amin'ilay setrin-tononkalo e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 22/05/2015 11:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155