MINO FOTSINY IHANY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MINO FOTSINY IHANY…

Na ho very fanantenana aza izao tontolo izao
Izaho kosa tsy hanary toky fa hatrany hino Anao
Mety ho maizina ny làlana tsy maintsy hombako
Ka handao ireo sakaiza noho izato fahantrako
Izaho kosa indray hamikitra ny sandrinao hatrany
Matoky ny fitiavanao ka dia mino fotsiny ihany!
Azo antoka ho vinitra ilay fahavalo iadiana
Ka hasiaka sy hampitombo an’ireo fampijaliana
Tsy mampaninona toa inona fa hozakaiko ireny
Izaho kosa hiantehitra amin’ny teny izay nomeny
Na handiso fanantenana aza izao rehetra izao
Izaho indray matoky, mino fotsiny ihany Anao

RFE Andria – 29/11/2015
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - Vavaka
992 1
Mpakafy: Nofy2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 29/11/2015 01:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153