MISAOTRA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISAOTRA RAY… !

Misaotra Ray
fa nomenao aina indray
na tsy mendrika izahay
tsy nataonao antsonjay
hatrizao ka hatrizay

Misaotra Ray
noho ireo heloko voavela
na ny vao na ny ela
nanapoizina ny sela
ka nampamadibadi-dela

Misaotra Ray
ny amin’ny tanjaka sy hery,
nanasitrana ny fery,
tsy namela anay ho irery,
tsy nandao anay ho very

Misaotra Ray
fa nanehoanao fitiavana
tamin’ny nanirahanao havana,
sakaiza tsy nanavangavana
nikarakara tomandavana

Misaotra Ray
noho ireo soa sesehena
mihoatra lavitra ny harena
tsy nosandaina fa nomena
tsy nijerena fahalemena

Tsiky Arofanina – 28/09/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1033 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 28/09/2015 10:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155