You are here: home > Vetso

MITOMANIA FA MITRAKA - RFE Andria

MITOMANIA FA MITRAKÁ

Ianao izay mahatsiaro ny fandalovako eto an-tany
Arotsahy ny ranomaso raha toa ianao te hitomany
Nefa aza mitanondrika fa mitrakà hatrany hatrany
F’izay ny làlana hodiaviko : ny mankany mankany

Tsy maintsy hilaozako ny eto, ity fiainana mavàny
Ity tontolo feno sento, hankanesako any ho any
Fa ity nofoko malemy hody vovoka ihany
Kanefa ny fanantenako Ilay Mpamonjiko, tsy lany

Ireo fahotana nibebahako, navelany sy nosasany
Ny ratsy vitako rehetra, norakofany ny rany
Ny fahalavoako tsy voaisa, nareniny sy nofafany
Koa atrakao ny loha fa aoka tsy hijery ambany

Injao maneno ny trompetra, tsy renao ve ? Injany !


RFE Andria – 13/05/2015

Sokajy : Fahafatesana

Mombamomba

Mpanoratra : RFE Andria

Nampiditra : Arofanina
Daty : 13/05/2015
Mpamangy : 573
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

NOFIKO, HONO...
AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA

Hametraka hevitra

Midira aloha