NOFY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY

Eny an'habakabaka eny ny tontolo ihaonantsika
Fonenan-tsoa sy tena kanto izay mazava manjopiaka
Ao tsy misy alahelo fa anjakan'ny fitiavana
Ao isika no mianoka hasambaran-tomandavana

Any ianao dia ahy irery ary izaho anao tontolo
Any ny fitiavantsika manitra sy tokam-bolo
Ny anao voatokana ho ahy, tsy mizarazara intsony
Ny ahy atokako ho anao, soa sy kanto toa vony

Eny izaho sy ianao ihany no mponina miara-dia
Eny isika isan'andro dia samy ampoka fitia
Satria dia tontolo lafatra no iaraha-miriaria
Tontolo nofy tsy ho rava hatrizao ka ho doria

RFE Andria - 27/08/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Nofinofy - Fitiavana
1158 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 27/08/2016 13:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015