SATRIKO... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRIKO...

Satriko ihany ny ho eo anilanao ry lala
Hianoka fitia madio eo foana tsy miala
Hamihina anao hatrany ary koa hitositosy
Ka isika roa irery no ho mponin'ity nosy

Satriko anie ry lala isika roa raha hiara-dia
Hifampitantana hatrany eny an'habaka fitia
Hiara-honina doria ao am-bohitry ny nofy
Hiara-hisambatra fiainana lavitry ny rofirofy

Satriko ry lala hampigoka anao ny mamy
Isan'andro vaky izao rehefa iny aho fa tamy
Mivimbina ho anao fanomezan-tsarobidy
Oroka sy safosafo voatoka-nofinidy

RFE Andria - 25/11/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1223 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 25/11/2015 20:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156