TENIN-DRENY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENIN-DRENY

Teny
Tiako hasandratra ombieny
Lova avy amin-dRay sy Reny
Fampiasako eny rehetra eny
Rehefa injay hinenineny
Sy hilaza ny ao am-po
Tsy mba manam-paharoa !

Ekeko
Nampiasaiko sy efa reko
Eto anivon’ny fireneko
Misy teny vahiny hafa
Mahasoa rehefa hitafa
Fa mbola miavaka amin’ireny
Ny teniko : ny tenin-dreny !

Lazako
Rehareha ny tenindrazako
Teny hatramin’ny fahazazako
Mandra-pahalehibeazako
Hanitry ny tanindrazako :
Tenin-dreny Malagasy
Tsy avelako hangasihasy !

RFE Andria – 21/02/15
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1082 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 21/02/2015 14:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153