TOLONA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOLONA

Hoy ity loham-pianakaviana
Niatrana ny fitodiana :

« Raha indray topaza-maso
Ka itodihako ny lasa
Izato làla-nodiaviko
Nampitsonika ny taviko
Dia mirakitra ireo ady
Nitady hamarina ahy sahady
Any amin’ny varo tsy mifody
Sy manakana ahy tsy ho tody
Amin’ny tanjona napetraka
Zary mampivalaketraka…

Impiry akory aho no nianjera
- Nefa tsy ilàko dera –
Fa niezaka niarina
Tamim-peo farimparina…
Fa ankehitriny aho rey olona
Tena lanak’ity tolona
Toa tsy ho tohako irery
Vizana aho, lany hery

O ! ry tolon-tsy omby tratra
Be fiavy, vatravatra
E ! ry tolona amin’ny fiainana
Tsy natao hitarainana…
Nefa na izany aza
- Eny, mety ho hevi-jaza –
Ikimpiako maso an’ila
Tsy amelako raha tsy dila
Ny aloky ny faharesena
Izay mila hampivembena !!! »

RFE Andria – 01/05/2015
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
710 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 01/05/2015 16:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152