TSY EKEKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY EKEKO

Tsy ekeko raha ny ankizy no ambakaina fa hoe zaza
ka anombinana ny anjarany fa lazaina ho tsy sahaza

Tsy ekeko raha ny vehivavy izay toa fanaka malemy
no anamparan-kery sy ampiainina ny memy

Tsy ekeko raha ny madinika, ny mahantra tsy manam-piahy
no anaovanao antsonjay fa satria ianao “Rangahy”

Tsy ekeko raha ny tanora izay andrandrain’ny firenena
no ravana sy potehina,fitahina sy angolingolena

Tsy ekeko raha ny teny nolovaiko tamin’ny razako
no afokaina sy ambaniana fa io no hajako sy lazako

Tsy ekeko! Tsy ekeko! ireo tsy rariny amparina
ireo longoa mitoto-bozaka anafenana ny marina…

Hanangam-bovona aho aloha raha ireo no mitranga
horitiko ny ranomainty, ny peniko handrangaranga
ny soratro hitatatata, hivazavaza tsy hitsahatra
hisolo vava ireo rehetra izay tsy manan-kalahatra
Fa ny soratro, ny peniko no fiadiana am-pelatanako
mba hoentiko hiarovana ny rariny ao an-tananako

RFE Andria – 10/10/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
900 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 11/10/2015 10:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171