TSY IZAHO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IZAHO

Raha ianao izao mitady
mpanoratra efa zatra ady
poeta efa gaigilahy
avo lenta aingam-panahy,
any an-kafa manontany
misy maro any ho any,
betsaka ireo andrarezina
zavon-tany raha tetezina,
tsy vitsy koa ny matihanina
mamokatra asa mahamanina
sangany amin’ny fiantsana
mpitononkalo igagana…

Fa raha izaho, tsy poeta
na mpanoratra mitetateta
fa mba manoratsoratra
sy mamoaka ireo faroratra
izay miforona ato an-tsaiko,
izay no zavatra mba haiko…
Tsy asa sangany na lafatra
mety koa tsy mba fatratra,
satria anie aho tsy poeta
na mpanoratra avo lenta
tsy vatosoa na volamena
ka handeha hidera tena…

Fa izaho ilay tanimanga
endrika toa vangavanga,
bozaka anilan-kanto
tsy manaitra ny mpandranto,
mafikely anilam-pika
tsy mankaiza raha ny bikan’
ireo asa mba vokariko…
Avo loatra raha hotakariko
ny habak’ireo efa poeta,
tsy ho ahy izay miretareta

RFE Andria – 01/10/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
985 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 01/10/2015 10:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152