TSY NIFIDY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NIFIDY

Izaho tsy mba anisan'ny nifidy anao hitarika ahy
ho any an-dàla-maha àna, fa asa loatra lahy!
nahazendana ahy ny nahitako anao teo anoloana
nitondra ahy hatrany mba ho any an-tany foana

Izaho tsy mbola mba nifidy anao hisolovava
satria fantatro ianao fa jiolahy misaron-tava
tsy mikasa hanasoa fa ny mba hameno paosy
Nototoim-bintana aho, angamba teraka alakaosy

Izaho tsy nifidy na iza na iza ho mpitondra
fa dia nanaja tena ka nangina diamondra
Kinanjo izao dia ilay nahiako no nitranga:
ilay voafidy lany teo dia tena vangavanga

Teo vao nanongo tena tahaka izay mba nifidy
fa angamba ohatr'izay tsy nigoka ity mangidy
Lesona ho ahy izany mba hifidy amin'ny sisa
fa tsy hihalangalana na hanao mody gisa...

RFE Andria - 05/07/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainam-pirenena
972 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 05/07/2016 15:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161