FIANGAVIANA (RH Mayam)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao antsoko izao
mba iangaviako anao,
Aoka tsy ho fatany!
Sao mantsy ho zakany
fa mandry an-tanimena
ilay zaza mahonena
naloaky ny kibony!

Ny tananao no atolory
fa aza milaza akory
ny mombamomba ahy,
Lazao hoe tsy manahy;
Fa mizotra am-pilaminana
tsy misy mitongilana
ny iraka ataony.

Izay no iangaviako!
Ka sitrako ary tiako
raha tanterakao ireo
izay voalazako anikeo,
Aza ampiana tombony
na anesoran-tsombiny;
fa izay hafarako aminao
no andeha tanteraho.
--------
Rohy:
Sokajy : Hafatra
1273 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RH Mayam
Nampiditra : hery3
Daty : 08/07/2015 10:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094