NY JALIKO! (RH Mayam)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny jaliko no haborako
ao anaty asa soratro
mba ho fantatrao mpamaky?
sao ianao tsy hahatanty!
Fa tena mahafaty
sy mandoro ny ao anaty!
Kanefa dia zakaiko,
ary mbola holanjaiko
na hanafaka ny aiko!
Ka aleo tsy ho tantaraiko.

Fa na ho boky maro
no hofenoiko kalo;
mitanisa ireny jaly
izay nobabeko hatramin'ny omaly,
tsy hahafoana ireny jaliko!
Fa mbola ho fantariko
hoe hatramin'ny oviana
no hiofo ho fifaliana
ireny fahoriana?

Ka ny iriako mba ho fiafarany?
dia ho ritra ireo tomany,
Ka ireo jaly sy ankaso
sy ireo vongan-dranomaso,
dia hilevina aman-tany
mandram-pihirin'ireo maso.
--------
Rohy:
1536 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RH Mayam
Nampiditra : hery3
Daty : 08/07/2015 03:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163