Miandry (Rianala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na dia malahelo aza aho,
Tsy maintsy mafy sy mahery;
Tsy maintsy andrasako ianao
Satria ny fitiavana no hery.
Satria na tia toy inona ny fo,
Ajanona raha tsy anjara.
Na mampijaly aza moa
Dia tsy hatao raha tsy tsara.
Ary na dodona toy ny ahoana
Ka maika ny hahita anao,
Tsy azo haroso ny fotoana
Fa ny miandry no azo atao
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1008 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rianala
Nampiditra : mimisteph
Daty : 30/07/2014 10:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106