AMBOHIMPAMOIZANA (Riankanto Ny Fitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMBOHIMPAMOIZANA

Eto no hodorako
ny diary mitahiry irony angotiny fahiny,
eto no hamongorako
ao an'eritreritro ao iny tara-tsikiny iny...

Haleviko eto koa
ny feony malefaka nipaka tany anaty,
hongotako ao am-po
ny voady manodokany kanefa hay poak'aty...
.
Eto no hamotsorako
ny tanany mizizo hamikitra ny tanako,
eto no handosirako
ny alony mikasa hanaraka ny lalako...

Ary eto no handevenako
ny lasa nosoratan'ny tantara ho anay,
ary eto koa ny tenako
no hisaona antaranoana izay fitiavanay izay...

Eny, eto Ambohipamoizana
no fasana sy helo natokako hivelenan'
ilay mpianjoria nikoizana:
eto no homontsana sy hiraraka ny tenany....

Riankanto Ny Fitia
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
799 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riankanto Ny Fitia
Nampiditra : riankantonyfitia
Daty : 23/02/2019 05:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098