ARETINA ITOVIZANA (Riankanto Ny Fitia)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARETINA ITOVIZANA

Misento mangingina tsy misy mahatsikaritra
anaty takariva miampofo fahatsiarovana
ny tenako amin'izao,
mibanjina ny volana feno avona, mangarika
amin'ny maso toa mipitra efa diva ho torovan'
ny alahelo anao...

Ny eto koa saforan'ny tsiaro madidîtra
raha mandre ny orana milatsaka any ho any
malefaka fitaika...
Velon-tsento anaty, manembona ny "isika"
navonan'ny fitia tanaty nofy mamy
malemilemy paika...

Fa misy ny endrikao sy ny tsikinao mamony
fela-manjan'ny fitia mbola reko tafatoetra
ao anatiko ao,
manjohy ny eritreritro, mandroatra tsy mitony
ka ny foko salovaniny injao mihararetra
sy mitady foana anao...

Ka zary zava-poana ny herin-tsaina nolaniana
sy nentina namafa ny amintsika fanadino
tamim-pikirizana...
F'isika any anaty samy mbola tia sy tiana
ka he mifampitady ny fo izay samy mino...
O aretina itovizana...

Riankanto Ny Fitia
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
913 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riankanto Ny Fitia
Nampiditra : riankantonyfitia
Daty : 23/02/2019 05:36
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147