ETO (Riankanto Ny Fitia)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ETO

Eto amoron'ny hariva
Mampanembonembona aho
No mibitsibitsika iva
Sy mikalokalo anao,

Ry olo-mamiko tsy foiko
Nefa lasana tsy niera,
Mbola injao tsaroako
Ireny tsikinao nianjera...

Eny, toy ny vao androany
Ireny dinantsika ireny
Saingy indrisy fa tomany
Sisa reko ombieny ombieny!

Angamba niofo ny hasambarana
Niampofo tsikitsiky
Tamin'ny andro nisantarana
Itsy tara-bolana itsy,

Ka ny lanitro misaona
Izao tsy tazanao akory,
Ary ny andro sy fotoana
Izay tsy ahitako tory
Aminao ambany vidy...

Ka eto amoron'ny maraina
Vao mitsimo-taratra
Aho, no manatanja-tsaina
F'ianao dia efa sambatra
Amin'ny lala-nofinidy...

Riakanto Ny Fitia
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
809 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riankanto Ny Fitia
Nampiditra : riankantonyfitia
Daty : 23/02/2019 05:38
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103