MPANDALO (Riankanto Ny Fitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPANDALO

Dify efa ela ny tara-masoandro
nanaingo ny tampon-kavoana tety,
Ny fo nanantena hafaliana, kinanjo
nanjahatra foana, namoy ny fitia

Mantsy ny antsika ny diary efa may
ka lavenona sisa mamovoka etoana,
Efa maito ny rohy hany nampifandray
ny rojom-pitiavana izay mba navona

O, aloka foana no sisa tavela
amy fitia mba najorontsika!
Ny dina natao hahasetra ny ela
Indrisy fa montsana, vovoka sisa

Efa gina ny hira niaraha-nikalo
efa lefy ny tsiron'ireo tambitamby
Izy tsy hafa fa olo-nandalo
tsy naharitra dia fa ihany namangy

Ka etsy mionona ry fo mitomany
f'izany no didy, izany no anjara
Mionona fa lalam-pitiavana izany
ny lasa no aoka hitoetra ho tantara

Riankanto Ny Fitia
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
757 1
Mpakafy: riankantonyfitia
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riankanto Ny Fitia
Nampiditra : riankantonyfitia
Daty : 23/02/2019 05:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145