You are here: home > Vetso

Fahitana anao - Rija S.

Iriko foana ny hahita anao
Isan'andro izao aho mametsovetso anao;
Asa loatra re izay mahatonga izany
Ny ho eo anilanao no iriko foana hatrany.

Efa ela no naniry
Hiara-dalana aminao,
Ny fitiavako nitsiry
Teo am-pahitana anao.

Ankehitriny tonga ilay fotoana
Nandrandraiko hatramin'ny ela;
Hanambarako eto anoloana
Fa tiako ianao, ho tiako foana.

Antsoiko hoe malala ianao satria
Izaho dia efa tia dia tena tia
Koa miangavy re raha azo atao,
Omeo fitia avy aminao.

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Rija S.

Nampiditra : gloom
Daty : 11/12/2003
Mpamangy : 1329
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Fanoloran-tena
Neny

Hametraka hevitra

Midira aloha