You are here: home > Vetso

Fanoloran-tena - Rija S.

Indro ianao ry Tompo
Maninjitra ny tananao
Handray ity mpanompo
Manolo-tena ho anao

Ianao no ampinga, ho entiny miady
Handresy ny fahavalo, manelingelina azy;
Hanohitra azy ireny, eny am-bava ady
Hanambatra ny hery sy hamonjy azy.

Ianao no mpamonjy
Mahatoky sy mahery
Hiantsoany vonjy
Amin'ny andro mahatery

Enga anie ry Tompo,
Tsy ho amin'izany ihany
No hiantorahany aminao
Fa ho amin'izao sisa rehetra izao

Enga anie izany fanoloran-tena izany
Tsy ho eo imolotra ihany
Fa ho tonga tena  fiainany
Mandritra ny andro izay hiainany.

Tsinjovy sy hatanjaho
Ity mpanompokelinao
Haharitra tokoa
Ao aminao ry Ray tsitoha.

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : Rija S.

Nampiditra : gloom
Daty : 12/12/2003
Mpamangy : 2054
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Fahitana anao
Neny

Hametraka hevitra

Midira aloha