You are here: home > Vetso

Tia aho - Rindra

Midobodoboka ny foko, isan'andro vaky izao
Isaky ny tojo endrika hitovizana aminao
Toa hiakatra ny ràko, te hiantso hoe "avia"
Fa mamolivoly ao, ilay foko tena tia

Tia aho tena tia, moa ve ianao no tiako ?
Sa ilay tsikitsikinao, no mameno ny hafaliako ?
Asa lahy, asa, na izaho no efa adala
Ka taitaitra lava izao raha manembona "malala"

F'isaky ny tojo endrika itovizana aminao
Dia mangotika ny foko, malahelo lava izao
Manontany am-po mangina, tena tia aho ve ?

.....

Mombamomba

Mpanoratra : Rindra

Nampiditra : rosin
Daty : 04/10/2003
Mpamangy : 5211
Mankafy : 3
Ankafizo

Tononkalo hafa

Fahatsiarovana 29 martsa
Ny fitiavako anao

Hametraka hevitra

Midira aloha