Vetso (rjd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VETSO

Vetso mba natao ho vatsy
Tari-dalana ihany koa
Anatra isamban-dratsy
Antenain-kiavian'ny soa

Kalo izay natao hikolo
Ny soatoavina andrandraina
Tsy azo afoy fa maha-olo
Maha-gasy fo sy saina

Soratra natao hitaratra
Ilay fiainanana mivaona
Mampitaraina fahavaratra
Mampipopo lohataona

Hirahira hampiharihary
Ny hazazan'ireo mahery
'reo mpitondra tsy manjary
Mibosika, mihinan-drery

Tsiky mba natao ho tsaky
Hitelemana ny ngidy-
n'ny fiainana isan'andro vaky
Tsy ananana safidy

Sangan'asa manambara
Velorano tsara fara,
Sento sisana tantara
Mba nirina fa tsy anjara

Adirima maromaro
Rindranteny, rindrankalo
Tarapiainamifangaro
'zany re ny tononkalo
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka
1128 2
Mpakafy: jdd.rakotozafy - karako
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rjd
Nampiditra : jdd.rakotozafy
Daty : 30/09/2014 17:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137