HADINOY (RLDV)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tamin iny folak andro iny
Itako ianao sy ilay tovovavy tsy mana tsiny
Nifamihina toy ny tsy hisaraka
Nefa izaho sy ianao mbola niaraka.

Nisafoaka ny tao anatiko
Ka na ny nahita anareo aza tsy tantiko
Nefa tsy hitako izay natao
Hifanazava sa handao?

Naleoko nandefitra nandeha nody
Fa ny fitiavanao efa lasany ka tsy hitampody
Dia adinoy ny fitiavako sy ny anarako
Fa ianao ho fafako ao anatin ny tantarako

Na dia sahinao tokoa aza anefa ny namitaka.
Namela ahy ho irery nandeha nisitaka.
Nandao ahy tsy tamin ny ahiahy.
Nisidina avo nanalavitra ahy.

Dia aleoko mangina manaja tena
Fa efa nosehinao ilay fanekena.
Ka tsy hiantso tody aho fa hirary soa
Mba tsy ho azo tsampona ny anareo roa.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
973 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RLDV
Nampiditra : RLDV
Daty : 06/11/2016 16:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097