IZA.........? (RLDV)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza no mba hitia
Ity nofoko mahantra?
Iza no mba hitia
Ity foko feno ratra
Raha toa ianao ilay nantenaina
Hijanona ho nofy ato an tsaina?

Iza no mba handray
Ity fitiavako nolavin ny hafa?
Iza no mba handray
Ity vatako nahiliky ny hafa
Raha toa ianao ilay niriana
Efa manana olon tiana?

Iza no mba hankahery
Ity foko tojom pahoriana?
Iza no mba hankahery
Ity vatako ianjadiam pijaliana
Raha toa ianao ilay nianteherana
Nikopa kelatra nifindra toerana?

Iza intsony no afaka hahatsapa
Ity fitia niroborobo tato anatiko?
Iza intsony no afaka hahatsapa
Ity fitia nandoro ny aty fanahiko
Raha toa ianao ilay notolorana
Hatao tazan davitra toy ny volana?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
928 3
Mpakafy: RLDV - R.SON - Lapintade
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RLDV
Nampiditra : RLDV
Daty : 02/11/2016 05:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142