You are here: home > Vetso

Nanantena hasambarana Kin - RLDV

Nanantena hasambarana
Kinanjo vahona mahery
Fa ilay fitia norarana
Ka namela ratra sy fery.

Ny loha tsy nahatraka
Ny nofinofy rava
Fa ilay fitia efa lalim paka
Ka nampanjombona ny tava.

Nijohy ny ranomaso
Ny fo mamelovelo
Fa ilay fitia sendra ankaso
Ka ringana sy nampalahelo.

Nosotroiko ny mafaitra
Nofoiko ny setroka
Fa ilay fitiavana tsy laitra
Fa mangidy sy mangeroka.

Sokajy : Fisarahana

Mombamomba

Mpanoratra : RLDV


Nampiditra : RLDV
Daty : 18/01/2017
Mpamangy : 429
Mankafy : 1
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Ny fitiavana
Raha mba hainao mantsy fa
FIALAN-TSASATRA
HADINOY
IZA.........?
FASANA
Mandalo dia miserana

Hametraka hevitra

Midira aloha