Ho an'i Neny (Tantara marina) (Rockftiavana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny!
Fony kely aho ry Neny, nampianarinao niteny,
Nisasaranao irery, tsy nahatsapanao tsy nisy
Misaotra anao tam'reny, ankehitriny nefa indrisy,

Raha nandao ny tany anefa ianao,
nohon'ny etraketrakin'ny sasany,
Namela tsiahy sy ngidy mafy,
eny hatramin'ny zafiafy,

Reny soa rehetra ir'eny,
hotsaroana ombieniombieny,
raha mbola re lay teny,
dia ny anaranao ry neny,

ankehitriny kosa anefa, toa navelanao irery
lay mamimanao indrindra ,
na eo aza izany, dia matsiaro anao hatrany hatrany,
raha mbola eto an-tany, de ny anaranao ihany

tsy nataoko ho fotsy rora raha sendra mba n'teny
fa nolalaiko hatrany hatrany, reo anatrao ry neny
ho tadidy sy hotsaroana, reny teny mamy reny
sy ilay tsiky sy ny tsiahy navelanao
--------
Rohy:
3011 2
Mpakafy: nirina16 - felitchita
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rockftiavana
Nampiditra : Rockftiavana
Daty : 21/10/2011 12:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138