HIEZAKA HANADINO ANAO (ROJOSALOHY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIEZAKA HANADINO ANAO

Hiezaka hanadino anao aho,
Hiezaka hamafa ilay fitia nosoritako teny aminao
Hiezaka aho, ny hamono ny anaranao ato m-poko
Hiezaka ny hanapaka izay mety ho fomba hifaneraserantsika
Hanadino izay mety ho nofinofiko eo anilanao;
Satria,
Fantatro ny migoka izany ngidin'ny fitia voarara
Tsapako izany miaritra ho kilan'ny firedaredan'ny afo tsy misy mitsetra
Ekeko fa saha foana no hikarenjehan'ny fitiavantsika,
Hatsiaka tsy ahafaha-miaina no itombenany,
Ary hafanana mahamay no lolohaviny,
Ny fandrarana sy ny "tsy azo atao" no rivotra fohany,
Eny, tia anao aho saingy aleoko miady amin'izany fitia izany,
Ka hamono tanteraka azy,
Ka........ hiezaka hanadino anao aho

ROJOSALOHY
--------
Rohy:
1993 0
Hevitra mandeha
kaiira ( 24/09/2011 09:48)
mahafnaritra ary mahaliana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ROJOSALOHY
Nampiditra : rojosalohy
Daty : 23/09/2011 13:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104