You are here: home > Vetso

RANOMASO - ROJOSALOHY

      RANOMASOKO...........

Moa misy olona milanja fahoriana toa ahy ve any ho any?
Fa moa izaho ihany no ianjadian'ny ngidin'ny tany?
Misy olona mihohoka eo anivon'ny fijaliana ve any?
Sa izaho no voaozona ho amin'izany?

Manadino ahy ve Andriamanitra?
Manary ahy ve ny havana sy ny hava-tiana?
Fa mavesatra loatra ny hazo fijaliana....
Mijery ahy ve ny Avo?
Ka maninona no mijery ahy , lavo?
Tsy hananam-panantenana ve ny marainako?
Ho aizim-pito lava ve ny fiainako?
Misy afaka hizarako izany adin-tsaiko izany ve?
Lavitra ahy mantsy izay itarainako!
Hataon'ny hafa fihomehezana aho!
Fahoriana ô! dia ny fahafatesana ihany ve no vavahady tokana ialàna aminao?
Dia tsy ho afa-bela mandrakizay ve aho?
Izay mba tara-masoandroko aza takonanao!

Iantrao ny fiainako!
Iza anefa no hitarainako?

    ROJOSALOHY

Sokajy : Fahantrana

Hevitra mandeha

Tokinao (06/01/2009 12:06:54)

Misaotra Rojo a!

rojosalohy (23/09/2011 15:31:38)

Tsy misy fisaorana é! misaotra anao nankafy!

Hametraka hevitra

Midira aloha