RESY AHO (ROJOSALOHY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RESY AHO

Resinao aho.....
Io teny io no nolazaiko taminao
Dia nohararaotinao.....
Nomeko anao ny foko,
Nanantena aho fa mba hotiavinao
Saingy tsy nojerenao akory ny fahantran'ny fitiavako,
Navelanao hangaina irery izy,
Natsipinao tanteraka mihitsy aza....
Tiako รด! nitia dia nitia anie aho,
Nitia tsy nieritreritra ny hamoy anao,
Vonona hifanehitra amin'izao tontolo izao,
Saingy,
Navelanao irery aho, naleonao namoy ahy,
Toy izay hifampitantana hamaky ity ala mikitroka miaraka amiko,
Nafoinao tsotr'izao aho,
Tsy maninona tsy akory,
Satria RESY AHO.......

ROJOSALOHY
11 Janvier 2012
--------
Rohy:
1953 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103