VAVAKA HOAN' I GASIKARAKO (ROJOSALOHY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZANAHARY O! Tahio ny tanindrazanay!
Ray o! vonjeo ny taniko
Jereo ireto Malagasy ka mamindrà fo aminy
Aza avela hihatra aminay ny tsora-kazom-pahatezeranao
Omeo saina hahay hiray hampandry fahalemana ity tany mahantranay ity
Vonjeo Ray o! ny Malagasinao!

Dia ireo namoy ny ainy ireo,
Fitiavan-tanindrazana tokoa ve?
Sa fitiavan-tena tsotr'izao?
Fa nahoana ny fananan'ny hafa,
Atao sorona, robahina, doroina?
Vahaolana ve ho'aho izato endri-pitolomana?
Malagasy havako ô! inona moa no tanjonao?
Ireny aina nafoy ireny ve no fehizorom-pandrosoanao?
Sa izao hetsika izao no maha-Malagasy anao?
Reharehanao ve ny fahasimban'ny tanindrazanao?
Tsy mba ontsa ve ny fonao
Mahita ny Malagasy iray rà aminao, norobahinao?
Hafaliana ho anao ve?????
Ny tody anie ka tsy misy fa ny natao ihany no miverina!

Tompo ô! mandrenesa izao fivavahako izao!
Avereno ao amin'ireo Malagasinao
Ilay fahendrena nampiavaka azy
Ampitodiho amin'ireto vahoaka ireto ny famindram-ponao
Ka ho henoinao hatreto ny tononkira am-bavaka ataonay:
"Tahionao ry Zanahary,
Ity nosin-drazany ity,
Hiadana sy ho finaritra,
He, sambatra tokoa izahay!"
AMEN!
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1251 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ROJOSALOHY
Nampiditra : rojosalohy
Daty : 28/01/2009 14:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141