You are here: home > Vetso

ANTSIRINALA... - RRAG

ANTSIRINALA...
Samy niezaka niampita,
Samy nanao izay ho vita,
Samy mba nilanja tongotra,
Samy reraka sy drodroka.

Saingy ny firaisankina,
Tamin'ireo naman-tiana,
No nanosika hitraotra,
Ka nahavita tafahoatra.

Antsirinala ilay tsiaro,
Nisy tsiahy nifangaro,
Teo ny mamy sy mangidy,
Zary embon'ny tadidy!

Antsirinala moa ho aiza?
Fa tsy hiandry anao sakaiza!
Hiandry anao hampitamberina,
Ireo vetso tsy ary hotelina!
RRAG
05-10-2018

Hametraka hevitra

Midira aloha