You are here: home > Vetso

ANY AMBANY RANGOLAHY…! - RRAG

ANY AMBANY RANGOLAHY…!
Misy naman-tsy mahafoy, misy havan-tena tiana,
kikisam-bovotany mena, any ambany rangolahy,
misy vatan-tsisy aina, ilay lavom-binavina,
ilay natolefiky ny ady, ‘zay nilaozan’ny fanahy.

Any ambany rangolahy, misy nofo mihintsakintsana,
misy vatana tsy afaka, hitraotra setrasetran-tany,
ilay nazeran’ity fiainana, ka nanafoana irony dingana,
izay nitondra sedra maro, ary koa ny tomany.

Any ambany rangolahy, misy tia nandao ny tiana,
misy tena tsy mahafoy, tsy nanadino irony lasa,
ilay nitoky velirano, nosaronana ‘reo dina,
any ambany rangolahy, no milevona ny ratra.

Indrisy ianao ry laha-piainana, dia nisangy tsy niera,
nisetrasetra fiaina-maro, ka namoti-betsovetso,
ka any ambany rangolahy, ny ain’izy iny no nazera,
dia nalaina tsy ankiera, tsy honamanay hiara-hisento.

Any ambany rangolahy, no misy ilay sampanan-dalana,
tinerena holalovana, sy hodiavin’olombelona,
any ambany rangolahy, no koa milevona ny marina,
ilay nafenina tsy hohita, tsy taka-mason’ny velona.
RRAG
30 Mey 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha