TSIARO... (LAVO SAINGY TSY MBA MATY...!) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahatsiarovana ny fitsingerenan-taona nanoratana ilay tononkalo "LAVO SAINGY TSY MBA MATY...". Izay tolotra manokana ho tsiahy an'i........ (Erikerika manify....... Ankadifotsy)

Indrisy ry tany be siasia!
Dia nalavonao e! Ilay aingam-pitia,
fototry ny hira mitamberina an-tsaina,
raha sendra tomany, na sendra taraina.

Dia lavo tokoa a! Nianjera tsy satry,
ny nandaozany anay dia mbola tsy tanty,
saingy atao ahoana, fa izay no anjara?
Sori-baovao, manori-tantara!
RRAG
06 Jona 2018
--------
Rohy:
764 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209