You are here: home > Vetso

FITIA KISENDRASENDRA… - RRAG

FITIA KISENDRASENDRA…
Raha hotantaraina anie malala, ny dingana tafita,
na hotanisaina, tsy an-tsalasala, ireo vina tsy vita,
dia hisy alahelo, hiezaka hanarona, ny fo ‘zay tena tia,
hisy ranomaso, hamboraka ny marina, ny amiko sy indry.

Raha ho hambara tokoa, ny lasa rehetra, hanova inona e?
Na hofoanana avokoa, izay ao am-po, dia holafo hoatrinona e?
Fa hijanona eo, hifikitra eny mafy, ny fanaintainana,
izany malala a! Tsy ilaozan’ankaso, izany re no fiainana.

Fitia kisendrasendra, tsara endrika ivelany, mamiratra ery a!
Saingy toa mora rava, sarotra atambatra, toy ny antsika aky a!
Mandratra, mamery, manindrona mafy, mandrovitra ny aty,
miredareda vetivety, mitsilopilopy, dia zary matimaty.

Fitia kisendrasendra anefa, nisy fiiny sy tsirony,
mety hoe tsy nahay niantefa, saingy tinaratry ny jiron’,
Ilay fahazavana, nitondra ity fitia niserana,
toa tontolo hafakely, nefa tao ‘lay fanaperana.

Raha ho haravina ny vita, boky tokana tsy ho ampy,
indrindra moa foin’ny antsika, nisy anao ‘lay niantsampy,
tamin’izato hazo tokana, hany tsy fanta-poto-piavy,
saingy tsy maintsy nofaranana, eny, na dia tsy nisy adiady!
RRAG
12 Febroary 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha