IANAO SY NY LASAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO SY NY LASAKO…
Raha tombantomba-maso, tsara ianao ekeko,
fa raha ny indray hitia anao, tsy mba hotereko!
Efa fahadisoako, ny nitia anao fahiny,
ry malalako taloha, eo re aza tsiny!

Ianao sy ny lasako dia, samy nofafako,
ny fery sy ny ràtrako, efa nosasako,
tsy tiako himpody intsony, haningotra ny aiko,
izao aloha malala no, mba takatry ny saiko!

Raha atao jery todika, ny hirifirim-piainako,
dia ianao mihitsy no, nitondra ny tarainako,
namboly azy anatiko, nandrava irony vina,
mbola tsaroako etoana ‘lay, ianao toa hoe tsy mila!

Ianao sy irony tsiky, malefa-manameloka,
no nitsara ahy, ho toy ny olo-meloka,
nanatsafa mihitsy, ny hany mba fananako,
ka aza arahin-tody, raha doroako ny lasako.

Nitia aho fahiny, eny! Mitia ankehitriny,
fa raha hitia anao, aleo mitia vahiny,
tsy takatry ny saiko, izay mbola hahazo ahy,
fa ny hoe hitia anao dia, efa toa tsy sahy!
RRAG
10 Oktôbra 2018
--------
Rohy:
978 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173