You are here: home > Vetso

ILAY TSY SASATRA… - RRAG

ILAY TSY SASATRA…
Ianao anie ka fantatro e! Fa mikendry ny ahalavoako,
Mikiry mafy tsy mitsahatra, ny hanosika ny foko,
Hankahalana izato fiainana, tsy naninona ahy akory,
Ny tetikao dia diso haiko, fa hamafy sorisory!

Ka mandrafitra paik’ady, haminganana ahy hianjera,
Manoritsoritra ny drafitra, handetehana ahy tsy ankiera,
Handravana ny mba efako, hamotehana ahy mihitsy,
Dia mifosa eo imasoko, fa tsy mba miandry ahy ho dify!

Ianao anie ka lalako e! Fa mandoto ahy tsy sasatra,
Manao izao sy izao, hahatonga ny hafa hiataka,
Dia mitoraka maloto, ny ravin-damba eny ankoditro,
Ka mitsara manameloka, izato lokom-bolonkoditro.

Izay no hanabadoana ahy, handanjana ny fahaizako,
Hanesoana izay lazaiko, sy hitsarana ireo sakaizako,
Hilazana azy ireo, fa tsy afaka hitraotra,
Satria fatorako ankerisetra, sy anaty hararaotra.

Saingy teny kely monja, no hatorako ho anao,
Aza manantena hoe, any aminao aho no hitalaho,
Fa zakaiko eny foana, ny fanenjehananao ahy,
R’ilay tsy sasatra aoriako, mandingana aza toa tsy sahy!

Ianao anie ka haiko e! Fa tsy hankasitraka ahy,
Ka manao izao sy izao, handotoana ny fanahy,
Ahafahanao indray, hitsara ahy imason’ny hafa,
R’ilay tsy sasatra mamongatra, ny nalevon’iny lasa!
RRAG
07-10-2018

Hametraka hevitra

Midira aloha