INDRISY FA, RAHA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRISY FA, RAHA…!
Raha mba niandry kely, andro iray monja,
ka nanana faharetana, ny akoho vao nisidina,
dia angamba kosa lahy, tsy ho toy ny voafonja,
fa dia nikopak’elatra, sy avy dia nanidina.

Saingy indrisy fa, tsy nanam-paharetana,
tsy nanana herin-tsaina, hiandry ny zoma!
Tsy nandefa ilavitra, ny fieritreretana,
ka ‘njay ankehitriny, dia manenina!

Raha nanana fahafahana, nandrava ny ankaso,
ny fo sy ny fanahy, dia nilamin-tsaina,
ankehitriny mantsy, somebin-dranomaso,
sendra dona mafy, maningotra ny aina.

Dia lasa tsy mihevitra, ny teny aloa-bava,
lasa tsy mandinika, izay lazaina intsony,
ka omena tsiny, hatramin’ny lanitra aza,
kanefa izany ve moa no, mety hampitony?

Raha afaka niandry, tanaty fahanginana,
ny soa nandrandrainy, ny tsirairay,
dia hisy masoandro, hanampy ny efa mirana,
ka ho hasambarana, ho mandrakizay.

Indrisy anefa fa dia, nofy anaty nofy,
nofy tsy ho tanteraka, no tadiavin-tena,
ka isam-binavina, zary tahirim-boky,
mbola hanamafy, ny ivom-paharesena.

Indrisy fa, raha mba namaly vavaka,
teo noho eo ny lanitra, dia niova ny fijery,
satria raha isika ireo dia, tsy hisy ho any an-davaka,
fa nahazo fanavotana, raha vao miteny kely.
RRAG
14 Mey 2018
--------
Rohy:
819 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223