INY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY…!
Am-pamitàna iraka izy,
no indro mba miangavy,
ny hibanjinanao,
ny akanin’izy mianakavy.
Mba tsimbino re,
iny sombin’ny ainy iny,
tantano izy Tompo,
fa mbola mpivahiny!

Vao mianatra mamindra,
manoritra ny lalany,
toa zaza saina koa,
ka ny tomany no hany fantany.
Arovy izy Tompo,
tantano re ny diany,
na izany aza anefa,
aza avela hanao ‘zay tiany!

Iny sombin’ny ainy iny,
no hany hivelomany,
iny no hany tokana,
isan’ny hitolomany.
Iny no mba tarany,
mitoetra anaty haizina,
arovy re ry Tompo,
fa aza dia diso faizina.
RRAG
25 Septambra 2018
--------
Rohy:
655 1
Mpakafy: RRAG
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214