INY ZANAKO INY… ! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY ZANAKO INY… !
Mbola tiako mihoatra ny aiko sy ny tenako,
mbola tiako lavitra mihoatra ny fonenanako,
mbola handrandraiko noho ny fahendrena,
toa mbola ambony lavitra noho ny fandresena.

Iny zanako iny no taratry ny maraiko,
iny no mba hany fanafodin’ny aiko,
mampitraka ahy sy manosika ahy hitroatra,
iny zanako iny no hany tiako loatra!

Raha mbola volamena tsy misy lafovidy,
amin’izato zanako andraikitro sy adidy,
fa tsisy manan-danja mihoatra ny sombin’ny aiko,
na inona harena omena ahy tsy ilaiko!

Fa iny zanako iny no hany tsy voasolo,
iny no fanilo mpanazava izao tontolo,
iny ihany koa no hany azoko hianteherana,
iny zanako iny ny ahy no fanaperana!
RRAG
03 Septambra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - fiainana - embona
2018 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217