IZANY HONO E! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZANY HONO E!
Mba mahagaga e! Ny maso mijery,
manaraka ho azy, ny vava miteny,
raha sendra mahatazana, itony tanora,
mora resim-pitiavana, mora babon'ny vola!

Jereo moa ity e! Tantara iray,
sendra nandalo aho, tamin'izay,
teny Ankatso teny, no niseho ny tantara,
asa izaho no tsy maharaka, sa izaho mihitsy no tara?

Hoy ity tovolahy, toa mpitaingin-tamboho:
“Babonao aho ry anjelin'ny tany, babonao ny fo,
tsy tanako intsony fa toa te hitroatra, hivoaka ao anaty,
raha tsy ambara dia mety hamono, mety hahafaty!”

Hoy indray izato tovovavy mpandalo, mibaby kitapo:
“Ny vovòn'alika tsy henoina akory, fa mampihinana tsatso,
balahoasi-mpanofy, izaho no hoe devoly i?
Mba mieritrereta, mihevera tena, rehefa mamo tsy matory i!”

Dia zendana ery, ny tena hitsara,
ilay tovolahy ve, no miadaladala?
Sa ilay tovovavy, no tsy mihevitra, ny teny havoaka?
Fa ilay fifamaliana tamin'izay aloha e! Efa tafahoatra!
RRAG
22 Mey 2017
--------
Rohy:
724 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201