MANGETAHETA (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANGETAHETA
Tsy lavina f’ianao, efa manana ny ampy,
afa-mampitonitony, ireo sedra izay tsy tanty,
tsy mila fisasarana, raha hitady izay ho arapaka,
eny e! Raha ny anao, ny vahaolana aza tsy araka.

Ny azy anefa toa tsy izany, setrasetra isan’andro,
tsy afaka izy ny hitomany, hangataka anjara masoandro!
Ny nohaniny omaly, moa tsy rahampitso indray vao ho hita,
eh! Ny anao anefa izany, efa ela no toa vita.

Ny anao ny fitafiana, moa tsy zary fanasana trano,
ny azy sendra may kely, dia efa toy ny angano,
tsy misy tsaratsara akory, azony entina mivavaka,
ny anao ny eny an-koditra, isan’andro dia toa miavaka.

Ny kiraro ny anao, moa tsy efa hila ho trano iray?
Ny azy ‘lay hany tontatonta, no nozairiny indray,
ny sisan-kanina ny anao, hamahananao alika,
indrisy fa ny azy anefa, zaoridira tan-tsobika.

Mangetaheta izy, mangetaheta izay fahafahana,
ka miezaka mitroatra, sy mampiasa ny hatanjahana,
saingy rehefa hoavy koa, ny aretina sy atambo,
dia ny voangonangon-kely, no manjavona indray andro.
RRAG
12 Mey 2018
--------
Rohy:
1057 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0182