MBA TE HO FILOHA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA TE HO FILOHA…
Vitan’ny hafa ve tsy ho vitan’ny tena?
Izany ny resaka malaza eny an-tsena,
fa mba te ho filoha hono i Rakavinila,
ilay mpikarama an-jaoridira.

Toa mba sanganehana ny anao lahy,
nahitan’ireto vavy aman-dahy,
efa ho amam-polony nanolo-tena,
mba hofidiana, filoham-pirenena!

Dia nandeha ny tafany, hoe mora tokoa,
angamba izato, milatsaka ho filoha,
matoa maro an’isa, irony mirotsaka,
ny fampielezan-kevitro, ataoko mangotraka.

Ny vola samy manana, raha tsy maintsy ilaina,
sady ny ahy, toa mba mora isaina,
tsy hanahirana, irony mpitsara,
ka hanapitrisany, tsy manam-piafara…!

Any indray angamba izao, no mora hiseràna,
ny tsena koa ‘ty, toa mafanafana,
sady any avokoa, no mahamaika hitatazana,
ny aty mantsy indraindray, toa mitsako vazana.

Eh! Mba te ho filoha hono i Rakavinila,
mba te hitsapa ihany, raha mba tsara sanjila,
saingy aleony indray, ilay mitsimpona fako,
fa sao tsy ho lany eo vao, ho sendra matsatso.
RRAG
22 Aogositra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - fiainana
691 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169