MISAOTRA ANAO... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity aingan-tononkalo ity dia nosoratana manokana ho an’Iaro Mickael (Teraka ny 20 Mey 2018 teo “Andron’ny pentekôty”).
“Fa teny ho eny koa kay, nisy fahagagana…!”

MISAOTRA ANAO...
Hay ve ka nisy e! Nisy fahagagana, tsy takatry ny saina?
Natopitopinao mba, ho vintana sy anjara, iainana eto an-tany,
ry lanitra ambony, ny lalana malama, maningotra ny aina,
dia isam-pahoriana, fototry ny sento, nitondra ireo tomany.

Fa teny ho eny koa, dia nisy fitsiriana, niteraka fiaviana,
nisy fahatongavana, vonin’ny fitia, ‘zay aina avy amin'ny aina,
nondesim-pahasambarana, novokarim-po, dia ‘lay tia sy ny tiana,
ka namaritra fanilo, nahafaha-nanazava, ny ivon'ny maraina.

Misy tokoa kay, tsy takatr’eritreritra, fa misitery miavaka,
mandravaka tontolo, mihary filaminana, mandrindra ito tany,
misy ireo tsiky, manoritra ny endrika, no zary toa mandravaka,
irony hafalia-mikolo, anivom-panantenana, 'zay mbola any ho any.

Ary izao ny aina, sombintsombim-pamatorana, anatin’ny fitiavana,
niarahana nanapaka, ary koa nanoritra, mba ho tanjona kinendry,
handevenana ny lasa, hampamony ny hoavy, izay fatoram-pihavanana,
ka misaotra anao indrindra, ry vintana sy anjara, an-daha-boatendry.

Io izao ‘lay “IARO”, ary avy amin’ny aina, fa notohofana fanahy,
novolaina tam-pitiavana, ho sombim-pamaritana, ny dingam-pifamatorana,
Arofanin’ny hantsana, sy ‘reo sedra maromaro, izay mbola mampanahy,
arom-pandeferana, mihazona fitia, ao an-kianjam-pahatsorana.

Misaotra indrindra anao, ry Ray be fitiavana, nanolotra ‘ty aina,
aina sarobidy, izay fanomeza-miavaka, natolotrao ho anay,
io mantsy no “IARO”, sombin’ny ain’ny fo, isan’ny ho hantenaina,
handringana ny setra, handrava irony fetra, ka afaka hampiray.

Tsy hay ny hangina, raha misy tolo-po, miendrika valim-bavaka,
tsy hay ny tsy hisaotra, ny lanitra ambony, nanolotra izany,
tolotra hafa mihitsy, voalohan-dimby, fanomeza-miavaka,
ka aza omena tsiny, raha feno fifaliana, dia latsaka tomany.
RRAG
25 Mey 2018
--------
Rohy:
1146 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.128