NAHOANA KOSA MOA…? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAHOANA KOSA MOA…?
Raha setrasetran’olona, tsy tia fa mankahala,
no fingana manosika, ny aina an-drangolahy,
dia zaka ihany angamba, tsy hasiana salasala,
ka havela hitony, ny fo tsy hiahiahy!

Raha tosika niniana, nasiana herin-tsandry,
no nitondra an-davaka, lali-maizin-kitroka,
dia mbola misy ihany, hery iray fiandry,
i Fanantenana, famafa maso ditsoka!

Fa raha toa ny lahatra, no minia misetra,
mikapoka ivoho, mikiry haningotr’aina,
dia tsy ho hay mihitsy, izay ho tena fetra,
hinoana anefa fa, hanjaka ny taraina.

Na ihany koa hoe indray, ny anjara no mivily,
mitady lalan-kafa, tsy hihaonana amin’ny tena,
ka maso efa jamba, no injay mitilitily,
dia tsy lavina fa hianjera, anaty faharesena!

Nahoana kosa moa, ny tendry no nanavaka,
tsy mba nitopimaso, ity kamboty kely?
Ka niandry tsy nahalala, izay valim-bavaka,
hinoana fa tsy hisy, na dia am-baraventikely.

Nahoana ihany koa, ny vintana mba namana,
no ninia nisintaka, raha sendra ady mafy?
Izy ‘lay nantenaina, no namotsi-tanana,
nanosika ny aina, tanaty vvatam-paty!

Kamboty tokoa moa, dia tsy manan-kitarainana,
mahantra tsy satry, ka atositosika eny,
nahoana kosa moa no, ferim-panaintainana,
no mandrakotran’ny vavan’ireo izay miteny?

Sa rehefa osa, tsy manan-kianteherana,
dia fakofakon’olona, fanao an-dabam-pako?
Saingy kosa anefa, ilao fiheverana,
fa misy farany ihany, ny hira an-damako!

Mety hoe izao, anay ny ho voahosy,
anay no voatebaka, amavomavonareo,
fa hisy andro, mainty ho lasa fotsy,
nahoana kosa moa no, tsy ho anjaranareo?
RRAG
29 Mey 2018
--------
Rohy:
944 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198